Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Talata, faha 17 Jolay 2018

Sahia mitory fahamarinana

Ezekiela 34:1-10
1 [Ny amin'ny mpiandry ondry ratsy fanahy, sy ny mbola hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry? 3 Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo. 4 Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy. 5 Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra. 6 Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy. 7 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry: 8 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko, 9 dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry. 10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.

1 – Hatao hampamoaka ny mpiandry ondry.

«  Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ny ondriko izy…  » (and. 10a). Sarin’ny mpitondra ny vahoaka Isiraely ny mpiandry ondry eto. Tsy mba nikarakara ny vahoaka ka hanadina azy ireo Andriamanitra noho izany. Naharihariny ny fahadisoany (and. 1-6). Tsy niandry, tsy nikarakara ny ondry izy ireo. Mbola misy ankehitriny izany. Ny vahoaka no tokony harovana amin’ny fahavalo fa tsy ny mpitondra no manao ny vahoaka ho mpiaro azy. (vakio Jaona 10:27‑28).

2 – Hesorina tsy hiandry ny ondry intsony.

« …ka hesoriko tsy hiandry ny ondriko intsony ;… fa hovonjeko eo amin’ny vavany ny ondriko… » (and. 10b). Mitsara ny mpiandry ondry ny Tompo (and. 7‑10). Manapa-kevitra tsy hametraka mpiandry ondry mamahan-tena toy izany intsony ny Tompo ka hesoriny ireny. Mamonjy ny ondriny tokoa Izy ka nanolotra ny ainy. Hotanterahin’i Jesoa Kristy ho antsika ny famonjena ka voavonjy isika. Izy no Mpiandry Tsara nanolotra ny ainy ka saro-piaro amin’ny olona novonjeny. Tsy homeny anjara fiandrasana intsony ny mpiandry ondry manao antsirambina ny asany. Izay tia Azy dia manatanteraka ny asany. (vakio Jaona 21:15‑19).

Fanontaniana :

Manana ondry andrasana ve ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM