Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Jolay 2018
Lioka 6,41 - 42
41 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory? 42 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao.Sahia mitory ny fahamarinana
/ Lioka 6:41-42
Maika hitsara sy hanome tsiny ny hafa, na ny namany ny olona. Tsy fahamarinana eo anatrehan’ny Tompo izany. Ny fahamarinana eo Aminy dia :
1 – Manaisotra ny faharatsiana ao anaty.
Avy ao anaty no mampisy ny maso ratsy fijery sy ny fitiavana te-hitsaratsara namana. Mijery ivelany ny hafa mandrakariva ny olona, mijery ny miseho izany ka maika hilaza ny ao ampony momba izay hitany. Hadino miaraka amin’izay ny mamantatra ny tena na dia mitovy amin’izay nojerena aza ny atao. Aoka hanaiky rantsanan’ny Tompo amin’izao teny izao isika “esory aloha ny andry eo aniin’ny masonao” : mitarika antsika amin’ny marina rehetra Izy ary manoro ny làlana tokony haleha. Aoka Izy no hanapaka.
2 – Mitarika namana amin’ny làlana tsara.
Tsy ankasitrahan’ny Tompo velively ny fanaratsiana namana. Tsy ny olona efa nanaiky hanaraka Azy no mbola hivilivily saina sy fanahy indray. Koa mitarika antsika Izy hanetry tena sy ho tia namana mba hitaomantsika azy ho tia an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy. Izy no làlana mankany amin’ny Ray. Isika mino Azy no ekeny hitantana namana amin’izany làlana tsara izany. Alavirintsika ny fihatsarambelatsihy fa atonintsika ny fitiavana namana tahaka ny tena.
Fanontaniana :
Inona no manakana antsika tsy hanaraka izany fahamarinana izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM