Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Isaia 45.11-13
11 Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. 12 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra* ny eny aminy rehetra. [Heb. nandidy] 13 Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Sahia mitory ny fahamarinana

Isaia 45.11-13

Ilay Andriamanitra  marina 

« ny zanako sy ny asan’ny tànako dia aoka ho adidiko »

1-Manana ny fahefany  amin’ny zavatra rehetra 

Mampiasa izay olona tiany ampiasaina sy hanehoana ny heriny Andriamanitra. Nofidiny manokana eto i Kyrosy  tamin’ny fanafahana ny  olony tany Babylona. Ahariharin’ Andriamanitra  fa asany manokana izany fanafahana izany. Tompon’ny hery  sy ny fahefana rehetra Izy .Izy  no nahary , namorona ny zavatra rehetra. Noho izany  rehefa toe-javatra mahakasika ny  fiainan’ny olona dia Azy izany . Izy  no manapa-kevitra , Izy no  maneho  ny fahefany  ka tsy  misy mahasakana izany. Azo itokiana Ilay Tompon’ny hery  sy ny fahefana rehetra. Koa matokia  Azy  fa zanany, asan’ny tànany ianao. Tsy mamela anao  ho irery Izy. Miasa ho famonjena hatrany izy.

2-Manomana drafi-pamonjena ho an’ny olony 

Manana drafitra manokana entiny manatanteraka ny fanafahana ny olona any Babylona Andriamanitra. Nifidy manokana i Kyrosy Izy. Ahariharin’Andriamanitra eto fa Izy araka izany no nanomana, nandrindra, nandamina ny làlana rehetra  nizoran’i Kyrosy tamin’ny fanatanterahana izany (and. 13). Tsarovy fa Ilay Andriamanitra marina dia mihevitra mandrakariva ny mahasoa ny fiainanao. Efa nasehony  tao amin’i Jesoa Kristy ny drafitra ho amin’ny famonjena, ny fanavotana anao ho afaka amin’ny fatoran’i satana. Azo antoka ny fanavotana anao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Miorena ao amin’i Jesoa ianao,fa Izy  irery  ihany  no Mpamonjy  marina sy azo antoka ho anao.

Fanontaniana:

Zarao amin’ny hafa  ny fahatsapanao  teo  amin’ny fiainanao  fa zanak’Andriamanitra ianao, asan’ny tànany .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM