Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
Salamo 71:14-24
14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. 15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany. 16 Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. 17 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. 18 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy. 19 Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? 20 Hianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay] 21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao. 22 Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô. 23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao; 24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.Sahia mitory ny fahamarinana
Salamo 71:14-24
Ny fizarana ho fitoriana ny fahamarinana
1 – llazana ny asa lehibe nataon’ny Tompo
Nahatsapa ny famindrampon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany ny mpanao salamo. Zava-dehibe loatra taminy ny famonjeny azy ka miloatra avy ao am-pony ny filazana ny sandrin’Andriamanitra (and. 18) ho an’ny taranaka mbola ho avy. Ny mpino kristiana raha midera ny Tompo dia sahy milaza ny asa lehibe nataony tahaka izany koa ao amin’ny tononkirany. Mampirisika antsika hanohy ny fitoriana ny filazantsaran’ny famonjena, dia filazana izay nataon’i Jesoa Kristy ho antsika hatramin’ny taranaka fara-mandimby.
2 – llazana ny Tompo amin’ny fahamarinany.
« Ary mihatra amin ‘izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamamlra ô… iza no tahaka Anao ? » (and. 19) Indro manao fanekem-pinoana ny mpanao salamo ary milaza an’Ilay Andriamanitra miasa ao amin’ny fiainany ka na misy zava-tsarotra nolalovany aza dia natoky Azy izy fa «hampiakatra» (and.20) azy indray. Miankina tanteraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny fiainany ka mijoro vavolombelon’izany izy. Isika koa, aoka hanao tahaka ny mpanao salamo amin’ny fitoriana ny filazantsara fa Marina sy Fahamarinana ny Tompontsika, Izay ekentsika harahina mandrakizay.
Fanontaniana :
Vonona hijoro vavolombelon’ny fahamarinana ve isika ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM