Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
Matio 21.23-32
23 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? 24 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: 25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina* ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[*Na:nieritreritra] 26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona. 27 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. 29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. 31 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.Sahia mitory ny fahamarinana
Matio 21.23-32
Ny marina ao amin’Andriamanitra
1-Aza lavina ny marina ao amin’Andriamanitra
Manontany an’i Jesoa ny fahefana nanosika azy nanao asa sy nanadio ny tempoly ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. Tsy namaly izany fanontaniana izany i Jesoa fa indro Izy nametraka fanontaniana tamin’ireo mpanadina azy mahakasika ny fiavian’ny Batisan’i Jaona (and. 25). Tsy nanam-pahasahiana nilaza ny marina ireto sokajin’olona ireto ka indro namaly hoe: « tsy fantatray« , kanefa dia mahafantatra tsara ny mahakasika ny batisan’i Jaona izy ireo. Fandavana ny marina avy amin’ Andriamanitra izany mba hahafahana’izy ihany koa manda ny fahefana nanan’i Jesoa Kristy. Tsy azo afenina ny marina . manana fahasahiana haneho ny fahamarinan’ Andriamanitra.
2-Ahazoana anjara lova ny fahamarinana
Rehefa nilaza ho tsy nahalala ny fiavian’i Batisan’i Jaona ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona dia tsy namabaran’i Jesoa azy ireo ihany koa ny fiavian’ny fahefana nentiny niasa. Azo ambara anefa ireto olona ireto dia mahalala tsara fa avy amin’Andriamanitra i Jesoa kanefa minia manda izany marina izany izy ireo. Manoloana izany dia nahariharin’i Jesoa fa ny olona mino sy mankato Azy, dia manaiky ny fahefana entiny miasa no manana anjara ao amin’ny fanajakan’ Andriamanitra. Izay efa mahalala nefa minia tsy mankato dia fahaverezana no anjarany. mahau mankato ny Tompo mba hanana anjara ao Aminy ianao.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM