Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

2 Timoty 2,14 - 21
14 [Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, 15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin'] 16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, 17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [* Gr. gangrena] 18 izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany. 19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy." 20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. 21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.

Sahia mitory ny fahamarinana

2 Tïmoty 2:14‑21

Mpino vavolombelona ny fahamarinana

1 – Mahay mitondra tena tsara

Noho ny fisian’ny fampianaran-diso mitady hanakorontana ny fiainan’ny Fiangonana dia nananatra an’i Timoty i Paoly Apostoly.Tarihina mba hitondra tena tsara,miaina amin’ny fiainana kristiana,mizotra amin’ny làlana marina sy mahitsy.Manoloana ireo karazan’olona samihafa dia ilaozana ny ady hevitra tsy mampandroso. Mila mijoro tsara amin’ny asa fanompoana niantsoana azy i Timoty ka manao ho zava-dehibe ny fampianarana marina miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa zaraina ny fampianarana marina araka ny Tenin’ny Fahamarinana. Raha miaina mifanaraka amin’izany ny mpino dia ho resy tosika ny fampianaran-diso.

2 – Ho toy ny fanaka volamena

Ireo karazana fanaka ao an-trano no nentin’i Paoly naneho ny anjara toerana misy ny sokajin’olona tsirairay. Ny mpino dia  toy ny fanaka volamena. Izay mitondra fampianaran-diso dia toy ny fanaka vita tamin’ny tanimanga. Miavaka tsara ireo fanaka ireo araka ny anjara manandrify azy. Fanaka omem-boninahitra ireo vita tamin’ny volamena, miavaka satria efa voadion’ny Ràn’i Jesoa Kristy, manana fitondrantena mihaja, manalavitra ny ota. Fiasana tsara eo ampelatànan’ny Tompo ka na ny fitenin’izy ireo aza dia fampiononana, fankaherezana. Halam-baraka kosa ireo vita tamin’ny tanimanga satria feno avonavom-panahy, tsy manana teny fahamarinana, manao fanontaniana adaladala mahatonga ady.

Fanontaniana :

Ahoana no fomba entinao miala na manohitra ny fampianaran-diso ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM