Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Matio 20:8‑16
8 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.

Sahia mitory ny fahamarinana

Matio 20:8‑16

Ampahany amin’ilay fanoharana mikasika ny fanjakan’ny lanitra nomen’i Jesoa no hita eto. Ny fizarana karama natomboka tamin’ny farany mankany amin’ny voalohany no nanaovana hoe: “ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany” (and. 16).

1-Ny fahamarinan’ny Tompon’ny fiantsoana.

Hita eo amin’ny and.1 fa nivoaka maraina hanakarama mpiasa ilay tompon’ny tanimboaloboka. Mbola nivoaka tamin’ny ora fahatelo, fahenina, fahasivy ary faha iraika amin’ny folo ka nampandeha ireo mpiasa hitany hankany amin’ny tanimboaloboka. Midika izany fa miantso olona hanao ny asany amin’ny fotoana rehetra ny Tompo. Tsy nifidy fotoana hanirahana ny mpiasa hanao ny asany Izy. Noraisiny ny olona vonona amin’ny asa tsara rehetra. Tsy nanavakavaka ireo nantsoiny ny Tompo.

2-Ny fahamarinan’ny fitondran’ny Tompo

Ny mpanompon’Andriamanitra dia misy efa vita fanekena taminy ary efa manao ny fanompoana nifanekeny tamin’ny Tompo. Misy kosa ireo vao nantsoiny tato aoriana ary nirahina avy hatrany sady nomeny toky ny amin’izay homeny azy. Mazava tsara ny tenin’ny tompon’ny tanim-boaloboka eto fa manao ny sitrapony Izy amin’ny hitondrany ny mpiasany. Aoka tsy hisy fialonana ny amin’ny fahasoavana raisin’ny hafa. Tokony hanaiky ny fitondran’ny Tompo ny mpiasa rehetra.

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM