Sahia mitory fahamarinana

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Jolay 2018

Sahia mitory fahamarinana

2Samoela 12.1-17
1 [Ny nibebahan'i Davida, rehefa nanarin'i Natana, ary ny nahafahany an'i Raba] Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo. 2 Ilay manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka; 3 fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy. 4 Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy. 5 Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany; 6 ary ilay zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo. 7 Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly; 8 ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao; 9 koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy. 10 Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao. 11 Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao. 12 Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao. 13 Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. 15 Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza. 16 Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina. 17 Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.

Sahia mitory fahamarinana

2Samoela 12.1-17

Ny olona manambara  ny  marina 

1-Mitady ny  fomba mahomby  hampitana  ny hafatra 

Tantara  an’ohatra  milaza lehilahy nanankarena  tia tena , tsy nahafoy ny fananany , fa naka kosa ny zanak’omby vavy  kely tokana an’ilay malahelo no nentin’i Natana nanambara tamin’i Davida ny hafatra nampitondraina azy.Fomba nentin’i Davida namotsipotsitra ny toetra ratsin’i Davida tokony hibebahany izany. Mitady fomba hampitana  ny hafatry ny Tompo hatrany ny iraka na ny mpaminany natao hilaza ny marina.

2-Mananatra izay te-hitazona ny fahamarinana

Miharihary fa te-hitazona ny fahamarinana i Davida mpanjaka raha  naneho  ny fahatezerany momba ilay  lehilahy manankarena tia tena.Tsy nisalasala  noho izany i Natana  mpaminany nanambara taminy fa izy no lazaina amin’izany tantara izany . I Batseba izay vadin’i Oria  , vady tokana teo aminy , nokarakarainy fatratra no nalain’i Davida rehefa tsy voafehiny ny filàny . Nanao  izay ratsy  teo imason’Andriamanitra i Davida , izy no  niharan’ny sazy nolazainy .

3-Mampitodika ny olona amin’ Andriamanitra 

Tsapan’i Davida mpanjaka ny fahadisoany . Ka dia nifona  tamin’ Andriamanitra  izy. Nanenina noho ny fahadalany sy ny fitiava-tena tao aminy. Rehefa tsy manafina ny fahamarinana isika dia tsapan’ny olona tokoa ny fahotany ka mitarika azy hitodika sy hiverina amin’ Andriamanitra . Noho izany , tadiavo hatrany ny fomba mahomby ahafahanao milaza ny fahamarinan’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM