Sahia mitory fahamarinana

Mofonaina anio: Talata, faha 03 Jolay 2018

Sahia mitory fahamarinana

Marka 6.14-20
14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo. 15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany. 16 Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy. 17 Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy. 18 Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao. 19 Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo. 20 Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany*; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[*Na: nanao zavatra maro]

Sahia mitory fahamarinana

Marka 6.14-20

Ny olona marina 

Tantaran’i Jaona mpanao  Batisa  no hitantsika eto. I Jaona , ilay sahy  nilaza sy nanambara  hatrany  ny fahamarinana.

1-Misy  mpanenjika

Tsy nisalasala i Jaona mpanao batisa nananatra  an’i Heroda , fa  diso  izy  raha manambady an’i Herodiasy vadin’ny rahalahiny . Tsy faly  noho izany i Herodiasy ka nitady ny  fomba rehetra  hamonoana an’i Jaona mpanao batisa . Tanteraka tokoa izany faniriany izany. Tsarovy  fa tsy  mora  ny maneho ny fahamarinana. Misy hatrany  ny sokajin’olona  manohitra  ny marina , manenjika , eny  mikendry  mihitsy  aza ny hahafaty. Tsy  mahazaka  ny fahamarinana ny olona maro. Matokia anefa , aza matahotra  fa raha mijoro  hatrany  hilaza sy hanao  ny  marina isika dia Andriamanitra  no homba  sy hiaro  antsika . Tsarovy fa ny  marina tsy  ho resy.

2-Atahoran’ny  olona 

Na dia teo  aza ny fikasan’i Herodiasy  hahafaty an’i Jaona mpanao batisa dia feno tahotra ihany i Heroda ka nitady  ny fomba rehetra  hiarovana azy . Ny asa rehetra  nataon’i Jaona no nahatsapan’i Heroda fa olona marina sy masina izy . Natahotra an’i Jaona noho izany  i Heroda . Noho  izany  tahotra  izany no nahatonga an’i Heroda nihevitra fa i Jaona no nitsangana tamin’ny maty  ka manao  asa lehibe indray rehefa nandre ny amin’i Jesoa izy . Miseho  amin’izany  fa ny olona marina dia tsy  maty  ao am-pon’ny olona hatrany  rehefa misy  toe-javatra  mitranga  ao amin’ny fiaraha-monina . Mazotoa  manao ny  marina.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM