Sahia manohitra ny kolikoly
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly
Lioka 16.1-8
1 Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany. 2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao. 3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy. 4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho. 5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao? 6 Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. [*Gr. bata] 7 Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.[*Gr. kora] 8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.Sahia manohitra ny kolikoly
Lioka 16.1-8
Mila fahendrena sy fananana saina mahiratra ny fitantanana ara-bola : na ao an-tokantrano ,na eo amin’ny fiangonana na eo anivon’ny asa sy andraikitra samihafa.
1-Mazotoa manofana sy miofana
Nidera ilay mpitandrina tsy marina i Jesoa , tsy sanatria niombona tamin’ny tsy fahamarinana nananany , fa noho izy nanan-tsaina(and8). Ary raha izao tontolo izao no havanana sy maranitra amin’ny resaka fitantanam-bola , nahoana ny fiangonana no hanaiky ho faralahiny amin’izany , nefa Andriamanitra mpitantana mahay no momba azy? Izany no ilàna ireny karazam-piofanana samihafa ireny mba hanan-tsaina sy ho marina isika amin’ny fitantanam-bolam-piangonana . Isika kristiana no aoka ho modely amin’ny fitantanana marina, madio , tara ary mangarahara any amin’ny sehatra misy antsika any .
2-Sahia manala izay tsy marina
Tsy maintsy ho avy ny fotoana farany hampamoahana . Sarin’ny fanjakan’ Andriamanitra rahatrizay izany . Koa mialoha izany dia tsy maintsy manapa-kevitra hanaisotra ny faka mangidy , sao ho ratsy fiafara . Raha te-hahita fahombiazana eo amin’ny fitantanana isika dia mila manao dingana hanala sy handrantsana ireo hita fa tsy marina sy tsy mahomby . Tsy ho matin-kenamaso na ho sarotsaronana amin’ny maha-kristiana izany , fa sady tsy ho lavorary ny asa no mampiditra ny hafa anaty fakampanahy isika raha tsy manala ireny . Aoka ny mpino kristiana tsy hanaiky ho mpiray tsikombakomba na ho mpiray petsapetsa amin’ny mpanao ratsy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM