Sahia manohitra ny  kolikoly

Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Septambra 2018

Sahia manohitra ny  kolikoly

1 Korintiana 6.9-11
9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] 10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena]

Sahia manohitra ny  kolikoly

1 Korintiana 6.9-11

Izay  te-handova  ny  fanjakan’ Andriamanitra 

1-Manaiky handao ny fanao ratsy taloha (and9-11a)

Tanisain’i Paoly eto ireo fanao ratsy mety hanakana ny fandovantsika ny fanjakan’ Andriamanitra . Fanao ratsy  izay mihanaka tokoa ankehitriny ny  ankamaroan’izy ireo . Voalazany eto ny fangalarana sy ny fitiavan-karena izay  mifandray amin’ny fanaovana kolikoly . Ny  fialana amin’ireny fanao ratsy ireny no antoka handovana ny fanjakan’ Andriamanitra . Koa taomina isika hiala amin’ireny  mba hananantsika anjara lova avy amin’ny Ray .

2-Manaiky ny asan’i Jesoa sy ny Fanahy masina (and11b)

Tsy efan’ny saintsika olombelona ny hiala amin’ny ratsy fa vokatry ny  fitiavan’ Andriamanitra  te-hamonjy  antsika izany . Notanterahiny  tamin’ny  alalan’i Jesoa Kristy  izany  ka ny Ra latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanadiovany sy nanamasinany  ary nanamarinany antsika . Ny Fanahy masina izay nampioeriny ao anatintsika kosa no mitahiry antsika hananana izany  fanadiovana  sy  fahamasinana ary fahamarinana izany . Izay manaiky ny hohavaozin’ Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesoa sy ny asan’ny Fanahy masina no afaka ny handova ny fanjakany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM