Sahia manohitra ny kolikoly
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly
2 Tesaloniana 3.1-13
1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo, 2 ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. 3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny* ratsy. [* Na: Ilay] 4 Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa. 5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy. 6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. 7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, 8 ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; 9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay. 10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy. 11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona. 12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. 13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.Sahia manohitra ny kolikoly
2 Tesaloniana 3.1-13
Reseo ny kolikoly
1-Mifampivavaha sy mifampahereza (and 1-5)
Ady ho fampanajana ny fitiavana sy ny tsy ny fahamarinana ny fanoherana ny kolikoly. Ny fampielezana faingana ny Tenin’ Andriamanitra izay tena fahamarinana no ahafahana mandresy izany . Koa mila mifampivavaka sy mifampahery isika fiangonana manoloana ny ady mafy atrehina ho fandresena ny kolikoly. Fery lalina efa mahazo ny firenentsika ny kolikoly ka ilàna vavaka sy fifampaherezana eo amin’ ny samy mpino.
2-Iaino ny fampianaran’ny fiangonana (and6-7)
Ny tsy fanarahana ny fampianarana natolotry ny Apostoly no anisan’ny niteraka korontana teo amin’ny fiangonana . mazava ny fampianaran’ny fiangonana mahakasika ny kolikoly . Lavin’ny Soratra Masina marindrano ny fanaovana kolikoly sy ny fandraisana izany . Koa iaino ny fampianaran’ny fiangonana mba tsy ho tafalatsaka amin’izany isika sy ho fanoherana ny fanaovana izany .
3-Miasà fa aza malaina (and8-13)
Ny fahalainana hiasa kanefa te-hanam-be no anisan’ny mitarika ho amin’ny fanaovana kolikoly . Tsy mahamendrika antsika ny mikatsaka volabe , ohatra , kanefa malain-kisasatra . »Ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina » (Gen 3.19), fa aza mivelona amin’ny hatsembohan’ny hafa . Fahamarinana ho an’ny mpino kosa ny mivelona sy mionona amin’izay nikelezany aina amim-pahamarinana .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM