Sahia manohitra ny kolikoly

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Septambra 2018

Sahia manohitra ny kolikoly

Lioka 20.19-26
19 Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany. 20 Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora. 21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra: 22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia? 23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe: 24 Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara. 25 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. 26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.

Sahia manohitra ny kolikoly

Lioka 20.19-26

Mianara  amin’i Jesoa 

Ny  ratsy  tsy kely làlana , hoy ny fitenintsika ka anjarantsika ny mitandrina tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny velam-pandriny .Noho izany ,andeha hianatra amin’i Jesoa .

1-Mailo  eo  anatrehan’ny fanasoasoana (and19-22)

Tsy  mba faharesen-dahatra no nitarika ireto  mpitsikilo hilaza fa mpampianatra marina tsy  mizaha-tavan’olona i Jesoa . Fanasoasoana mba hahatafalatsaka an’i Jesoa ao anaty velam-pandriky  ny mpanora-dalàna sy ny mpisorona no nataon’izy ireo . Ny  tanjona dia ny ahafahana miampanga Azy. Misy tokoa ireo  mody manasoaso kanefa manana tanjona hafa tiana hotratrarina . Fomba fiadian’ny fahavalo  ny toy izany  ka mila mailo isika .

2-Mailo amin’ny famandrihana (and23-26)

Niala maina ny fahavalo satria mailo teo anatrehan’ny velam-pandrika i Jesoa . Tsy misy azo natao taminy satria marina ny porofo teny an-tànany sy ny fanamarihana nataony . Misy ny te-handroboka antsika ao anatin’ny fahadisoana dia mody manasoaso sy mandambolambo .Misy koa ny  mamelatra velam-pandrika.Mila mailo tahaka an’i Jesoa isika eo anatrehan’ny velam-pandrik’ilay ratsy.Mampianatra antsika koa ny Tompo mba hanao  asa sy hanome araka izay manandrify ny tsirairay .

Fanontaniana: 

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM