Sahia manohitra ny  kolikoly

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Septambra 2018

Sahia manohitra ny  kolikoly

Hebreo 13.1-6
1 [Anatra sy fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. 2 Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. 3 Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo. 4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra. 5 Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5). 6 Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).

Sahia manohitra ny  kolikoly

Hebreo 13.1-6

« Aoka haharitra ny fitiavana ny Rahalahy » (and1)

1-Ampiantranoy ny vahiny 

Vahiny  eto ny  olona avy any amin’ny toerana niaviany mandeha any amin’ny tsy azy, ka tsy manan-kialofana. Tsy maintsy ampiantranoina izy ireny . Ny  vahiny  ambaran’ny Soratra masina tamin’izany dia ireo mpitory ny Filazantsara  mandeha an-tany  lavitra tsy mbola fantany .

2-Afaho ny  voagadra

Migadra indrindra no tiana ambara amin’ny hoe: mifatotra eto. Ny  olona manam-pitiavana dia tsy manenji-dresy  fotsiny fa manampy hatrany  ireo  voagadra amin’ny endrika sy  fomba maro samihafa .

3-Hamafiso orina ny tokantrano 

Maro ny antony  mahapotika ny fanambadiana, na ny tokantrano. Ny tsy fisian’ny fitiavana ampy hampifankatia ny  mpivady no anton’izany .Voalaza eto hoe: fijangajangana  sy fakana vadin’olona no lasa fanaon’ny sasany . Tsy mampateza ary manimba fanambadiana izany .Hamafiso ny fitiavana. Mety  hiteny iska hoe:tsy fitiavam-bady no resaka eto fa fitiava-namana  , nefa fantaro fa antsoina hoe :  namana ny vady  amin’ny faritra sasany  eto amintsika .

4-Aza atakalo vola ny fitiavana

Mila vola sy  mampiasa vola avokoa ny  olona rehetra , na ny  mpino sy ny  fiangonana aza. I Paoly dia miteny  hoe: fototry ny ratsy rehetra ny fitiavam-bola (1 Tim 6.10) .Koa aoka tsy  ho ny fitiavam-bola no hibaiko  ny  olona fa ny fifankatiavana  izay  manam-pitiavana kosa dia afaka mandefitra amin’ny zavatra rehetra izay ho an’ny tenany  .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM