Sahia manohitra ny kolikoly
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly
Habakoka 2 : 9-14
1 [Ny nilazan'i Jehovah tamin'ny mpaminany ny amin'ny handringanana ny Kaldeana] Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.Sahia manohitra ny kolikoly
Habakoka 2 : 9-14
Araka ny tatitra nataon’ny fikambanana iraisampirenena iray, sady iaraha- mahita isanandro hiainantsika andavanandro rahateo dia anisan’ireo firenena lohany manerantany amin’ny Kolikoly i Madagasikara. Azon’ny fakampanahy noho izany , na dia ny Kristiana aza mba hanaraka ny fanaon’ny maro, kanefa isika kosa dia antsoina mba hanohitra ny kolikoly satria :
1-Manimba ny tena sy ny taranaka izany (and 9-13)
ahitan-doza
2-Ny tany ho feno fahalalana an’i Jehovah (and 14)
Tsy hoe rehefa tsy misy ny kolikoly dia voatory ny famonjena, tsia!! Fa maro ireo Firenena na toeram-piasana vokatry ny fandaminan’ny fiarahamonina na sazy na lalàna henjana fotsiny dia efa mahafoana ny kolikoly ao aminy, saingy tsy ampy izany fa mila haparitaka ihany koa ny fahalalana an’I Jehovah, izay rahateo no hafatra napetrak’ i Jesoa mba hitoriantsika ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.
Fampieritreretana :
R. Ndrianja, Mpitandrina,
Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM