Sahia manohitra ny  Kolikoly

Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Septambra 2018

Sahia manohitra ny  Kolikoly

2 Timoty  3.10-17
10 [Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina. 14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
Sahia manohitra ny  Kolikoly
2 Timoty  3.10-17
Ny  toe-panahy araka an’ Andriamanitra 

1-Toe-panahy voasedra (and12)

Ny fivelomana amin’ny toe-panahy  araka an’ Andriamanitra  dia mandalo  fanenjehana . Tahaka an’i Apostoly Paoly izay niharan’ny  fanenjehana maro. Milaza izany  fa tsy  maintsy  misy  ny  mafy hosedraina , saingy izay rehetra voasedra kosa dia hatao hoe: « mpandresy » satria ny  Tompo  no manafaka amin’izany rehetra izany. Izay tsy  mba iharan’ny  fisedrana amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia handroso hatrany amin’ny faharatsiana . Koa sahia manohitra  ny kolikoly  ary manaiky hosedrain’ny Tompo. Aza manaiky horesen’ny mena miraviravy any  amin’ny toeram-piasana any .

2-Toe-panahy  manefy ho amin’ny asa tsara rehetra (and17)

Ny  fivelomana amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia baikon’ny Soratra masina . Efa  niainan’i Timoty hatramin’ny fahazazany ny Soratra masina (and15-16), ka nahatonga azy hanam-pahendrena sy ho tia ny rariny . Ny  Soratra masina iainana  toy  izany  no mahatonga  ny olon’ Andriamanitra  ho tanteraka  sy ho tsara  ofana , ka ho vonona  tsara sady ampy fitaovana hanohitra ny  kolikoly . Andeha àry, ampiasao ny  Soratra masina ho fitaovana mahomby eo am-pelatànanao  hanoherana ny  tranga -na kolikoly  rehetra misy  eto  amintsika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM