Sahia mandini-tena

Mofonaina anio: Talata, faha 28 Aprily 2020

JAONA 21.20-25

JAONA 21.20-25
20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? 21 Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity? 22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. 23 Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? 24 Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany. 25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.

Sahia mandini-tena

1-Aza variana mamisavisa ny fiainan’ny hafa

Amin’ny lafiny iray dia rariny raha sosotra ny mpianatra amin ‘ny fisian’ny mpianatra namany izay hamadika ny Tompo . Nanitikitika azy ireo ny hiafaran’ny fiainan’izany mpamadika izany , saingy tsy nahazo valiteny araka ny noeritreretiny tamin’i Jesoa izy ireo .Tsara kokoa raha izay momba antsika sy ny fanompoantsika no hametrahantsika fanontaniana .Aza lany andro manadihady ho an’ny hafa . Jesoa jerena fa tsy ny olona.

2-Tandremo ny mitelin-kafatra , na manita-dresaka

Misy andianteny ninian’ny mpanita-dresaka natelina ka nanova ny hevitra fototra tiana ambara .Samy hafa mihitsy ny hoe: ‘hitoetra izy mandra-piaviko  » sy ny hoe: »raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko « .Hafa ny hevitry ny hoe: « hitako izy » sy ny hoe »raha hitako izy« . Aza atelina ny teny tokony tsy atelina ary aza hitarina ny resaka tokony tsy hiitatra .Mazava ny tenin’i Jesoa : « Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko , ahoanao izany ? » Masi-mandidy amin’ny fandaharany ny Tompo

3-Mijoroa ho vavolombelona marina

Manana adidy hilaza ny marina , ary ny marina irery ihany ny vavolombelona . Sahy mijoro izy , na dia maningotra ny tenany aza ny filazana ny zava-misy .Aina no fetra ka tsy mataho-masomena.Rariny ve ny fahenoana mpilaza vaovao mahafaly izay rehefa hanontaniana ny vaovao milaza fa tsy misy ? Sahia manambara ny fitiavan’i Kristy .Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.

Fanontaniana:

Inona no azonao ambara momba an’i Jesoa amin’ny maha-vavolombelona anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM