Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Janoary 2024
2Samoela 22.8-20
2 Samoela 22,8 - 20
8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. 9 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. 10 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony. 11 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy. 12 Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina 13 Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda. 14 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. 15 Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy. 16 Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony. 17 Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy. 18 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny. 19 Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. 20 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.2Samoela 22.8-20
Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra
1- Ho fandresena ny fahavalo
« Dia nandefa zana-tsipika Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy. » (and. 15). Ity dia tononkira nataon’i Davida ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny nandreseny ny fahavalony. Maro ny fahavalo niady tamin’i Davida, toy ny Filistina, i Saoly, sns. Tamin’ireny rehetra ireny dia nandresy Andriamanitra. Araka izany, ny fahavalon’ny olom-boafidin’ Andriamanitra dia fahavalon’Andriamanitra. Andriamanitra dia miara-miady amin’ny olom-boafidiny ka mampandresy azy ao anatin’izany ady izany. Nandresy ny fahavalontsika Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary ny lehibe indrindra amin’ireny fahavalo noreseny ireny, dia ny fahafatesana. Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra dia fandresena ny fahavalon’ny mpino.
2- Ho famonjena ny vahoakany
« Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny. » (and. 18). Nambaran’i Davida tao amin’ny tononkirany ihany koa fa ny fandresen’ Andriamanitra ny fahavalony, dia midika ho famonjena azy. Raisin’ Andriamanitra ho voninahiny ny fandresena ny fahavalo mba ho famonjena ny olom-boafidiny. Ary izany no tokony ho ao amin’ny mpino, resen’Andriamanitra ny fahavalonao mba hisitrahanao ny famonjena avy Aminy. Izany koa no antony nanomezany an’i Jesoa Kristy ho mpamonjy antsika. Mba ho famonjena izay rehetra mino, dia nanaiky handresy ny herin’ny ota, satana, ary izao tontolo izao Izy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.
Fanontaniana:
Inona avy fandresena efa noraisinao avy tamin’ny Tompo? Ahoana ny niainanao izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe