Miaina ao amin’ny mazava
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Aprily 2024
1Jaona 1.5-7
1 Jaona 1,5 - 7
5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. 6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. 7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.1Jaona 1.5-7
Miaina ao amin’ny mazava
1-Andriamanitra dia mazava
Ny hoe mazava dia anambarana ny toetra izay mampiavaka azy amin’ny hafa. Masina Izy ary marina rahateo koa amin’izay ataony. Koa izay miaina amin’ny mazava dia tokony ho toa Azy eo amin’izay atao sy ambara mba ho vavolombelon’ny mazava fa Izy dia mazava ary tsy misy aizina akory ao Aminy (and 5). Endriky ny fahadisoana ny ota sy ny aizina, fa ny mazava kosa dia manambara ny fahadiovana ara- tsaina sy ara-panahy. Koa mandehana ianao fa Izy anie hiara-dia aminao.
2-Tsv mpiombona amin’Andriamanitra izay mandeha ao amin’ny maizina
Ambara fa mpandainga sy mpihatsaravelatsihy ireny, tsy mba velona araka ny marina. Ambara etoana fa tsy misy ifandraisan’ny mazava amin’ny maizina; ary tsy hiaraka na oviana na oviana ny akanjo fotsy sy ny loto. Madio ara-panahy Andriamanitra ary tsy mifandray amin’ny olona izay mandeha amin’ny maizina. Ezaho mandrakariva ary ry havana ny tsy hifandraisana na hiarahana miombona na tsikombakomba amin’ny maizina fa tsy sitrak’Andriamanitra izany. Mizora amin’ny mazava fa zanaky ny mazava ianao. Miorena tsara, aza miova, halaviro ny firaisana tsikombakomba amin’ny aizina fa tsy mahamendrika ny zanaky ny mazava izany.
Fanontaniana:
Tsaroanao ve ny fisian’ny fahazavan’i Kristy teo amin’ny fiainanao? Hazαναο.
Sampana Sekoly Alahady Foibe