Miteny sy maniraka ny olony ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Aogositra 2023

I Mpanjaka 17. 1 - 16

1 Mpanjaka 17,1 - 16
1 [Ny niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. 2 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe: 3 Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana. 4 Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. 5 Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana. 6 Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany. 7 Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany. 8 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe: 9 Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. 10 Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko. 11 Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. 12 Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento et? amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany. 15 Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. 16 Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.


Miteny sy maniraka ny olony ny Tompo

Nirahin’ny Tompo sy noteneniny i Elia hiala eo amin’ny toerana izay misy azy fa ho any amin’ny toerana izay anirahan’ny Tompo azy kosa (and 3 – 4, and 8-9). Tena azo lazaina hoe: miala amin’ny mahazatra ny zavatra notenenin’ny Tompo taminy satria andaniny ny goaika, ary ankilany ilay vehivavy mpitondra tena no efa nomanin’ny Tompo hamelona azy. Kanefa nanaiky ny Tenin’ny Tompo izy na izany aza satria nino izy. Mariho tsara mantsy izay nataony (and 5) fa lasa izy nanao araka ny Tenin’i Jehovah ( and 10) dia niainga izy ka nankany Zarefata.
Ny tena mahavariana eto dia izao : aiza moa ny goaika no hahita hanina ho an’i Elia maraina sy hariva? Ary ny hoe vehivavy mpitondra tena, tsy misy ianteherana anie no tiana ambara amin’izany e! Tsy manana na inona na inona mihitsy izy amin’izany sehatra iainany izany ka inona moa no tokony antenain’i Elia amin’izany? Na izany aza anefa ny zava-dehibe dia izao : Andriamanitra no mandamina ny zavatra rehetra. Nino tanteraka izany i Elia ka tsy nisalasala mihitsy izy nankato izay notenenin’ny Tompo sy ny nanirahany azy. Izao no foto-pampianaran’ny Fiangonana: Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay , koa raha miteny sy maniraka ny olony ny Tompo, moa mbola misy olona mino ny Teniny hatrany ve ary manaiky hirahiny tahaka an’i Elia mpaminany? Miteny sy maniraka olona ihany koa ny olona. Rehefa nahita ilay vehivavy mpitondratena i Elia dia naniraka azy hanome rano hosotroiny sy hanome mofo hohaniny. Ka na dia nandà aza izy aloha dia nanaiky hanome izay ilainy ihany, noho ny finoany fa Andriamanitra no miteny sy miasa.
Fanontaniana :
Mbola miteny sy maniraka ve ny T’ompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM