Ry olombelona ô!
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Novambra 2024
Amosa 5.4-11
Amosa 5.4-11
4 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; 5 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona. 6 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo, 7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany. 8 Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany, 9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana. 10 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady] 11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.Ry olombelona ô!
1. Dieny mbola velona, tadiavo Jehovah
Izay voalazan’ny and-4b sy ny 6a, dia mitarika antsika mba hanana toe-panahy hitady an’Jehovah. Ahoana ary ny fomba hitadiavana Azy? Mila mihaino ny Teniny, mifandray tsy tapaka Aminy amin’ny alalan’ny vavaka, mazoto mamaky tenin’Andriamanitra, manaiky ny hiasan’ny Fanahy masina, fa izany no toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izy no tadiavina fa tsy mila miantehitra amin’ny zavatra hafa. « Aza mitady an’i Betela, na mankany Gilgala » (and.5) Miantefa amintsika izany antso izany, indrindra amin’izao vanim-potoana andalovantsika izao, tadiavo Jehovah fa Izy no manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra, sy amin’izay atao sy heverina. Mbola tsy tara isika, manatóna an’Andriamanitra, tadiavo Izy, mitodiha Aminy fa miandry antsika Izy, manetre tena, fa hoy ny Soratra Masina « Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy » (Jak 4. 10). Rehefa mitady an’Andriamanitra isika, dia inona ary no tokony hatao mba tena hahitantsika Azy?
2-Manana toe-panahy mankahala ny ratsy
Raha izay voalaza eto amin’ny Amosa toko faha 5 dia mitaona antsika mpamaky mba hankahala ny ratsy rehetra. Hita miverimberina eto ny teny hoe: Ankahalao ny ratsy ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am- pitsarana ny marina…. Izany hoe miroso amin’ny fahatsarana, tsy manafina ny marina sy tsy manao tsinotsinona ny malahelo (mahantra). Mitady ny tsara hatrany mba hisitrahana ny soa avy amin’Andriamanitra Raintsika, fa tsy ny mifanohitra amin’izany. Ny antony ahavelomantsika dia ny hananantsika ny toe-panahy mankahala ny ratsy. Aoka tsy ho fombafomba fotsiny no hivavahana ka hanaram-po amin’ny ratsy. Manàna tanjona hiaraka amin’ny Tompo mba hanam-piadanana ao amin’i Kristy Jesoa
Fanontaniana:
Inona avy ireo sakana mety tsy ahitantsika an ‘Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe