Ry mpanompo tsara sady mahatoky
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Aogositra 2021
Deoteronomia 15. 7 - 11
Deoteronomia 15. 7 - 11
7 Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin'ny rahalahinao malahelo; 8 fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy. 9 Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany. 10 Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tananao. 11 Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.Ry mpanompo tsara sady mahatoky
1- Jereo ny zava-misy manodidina anao
« Raha misy malahelo ny rahalahinao eo an-tanànanao anankiray amin’ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao,… » (and. 7a) . Aza odiana tsy hita ny hetahetan’ny mila vonjy. Jereo ireo mpiray tanindrazana, ireo fianakaviana, ireo ankohonana, ireo mpianakavin’ny finoana akaiky anao . Jereo ny fahoriana, ny fijaliana, ny fahantrana, fantaro ny olana fototra . Ampiasao ny maso, ny sofina, ny fonao. Aoka ianao hanana fo antra, fo mangoraka. Tsy ankasitrahan’ny Tompo raha hitazam-potsiny sy hanilika andraikitra ianao.
Tsarovy fa hitsaràna anao any am-parany ny toetra amam-pihetsika nataonao tamin’ireny ondry kelin’i Jesoa ireny. Eto ny Tompo dia mitodika manokana amintsika izay mahatsiaro fa nandray maimaimpoana.
2- Raisio ny andraikitrao
« Fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy » (and.8) . Aoka halala-tanàna amin’ireo mahantra ianao. Ho fanampiana mahavonjy poritra, mahavaha olana no ilaina fa tsy vahoaka matin-ketaheta no omenao rano indray mitete. Miankina amin’ny ilain’ny sahirana ny vonjy rano vaky eto fa tsy miankina amin’izay efa noheverin’ny mpanome mialoha . Fanampiana mifanandrify amin’ny taraina sy ny zava-misy mianjady amin’ireo mila vonjy izany.
Fanontaniana :
Inona no anjara asan’ny Fiangonana manoloana ireo mpiray tanindrazana amintsika any Atsimon’ny Nosy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM