Rehefa avy miantso ny olony hifandahatra Aminy (and18) i Jehovah dia maneho tsy miolikolika fa :

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Martsa 2023

ISAIA 1.21-26

ISAIA 1.21-26
21 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao. 22 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano; 23 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany. 24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko. 25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo] 26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.

Rehefa avy miantso ny olony hifandahatra Aminy (and18) i Jehovah dia maneho tsy miolikolika fa :

1- Diso fanantenana amin’ny olony Izy (and21-23)

Amin’alahelo no hilazan’i Jehovah hoe: « indrisy ! tonga janga ity tanàna mahatoky  » (and 21a), mivoitra eto fa tena mahavalaketraka an’Andriamanitra ny toetran’ny olony . Ny dikan’ny hoe : « janga » mantsy eto dia tena ilay fampirafesana an’Andriamanitra amin’ny sampy mihitsy ka hanoloran-tena hanompo sampy amin’ny fo sy fihetsika . Tsy vitan’ny fanompoan-tsampy ihany no nahazo vahana tao amin’ny vahoakan’Andriamanitra fa mbola maloto fo sy tia tena ka tsy mihevitra ny namany ka zary mpanangona tombotsoa manokana ary na dia hamonoana ny mpiray firenena aza dia tsy mampaninona azy . Izany no mahatonga an’Andriamanitra hilaza hoe : « Feno rariny izy taloha sady nitoeran’ny fahamarinana fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy  » (and 21b)

2-Vonon-kanarina ny olony Izy (and24-26)

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : niova fo ny vahoakany , saingy fiovampo miiba ka manilika an’Andriamanitra . Lalina anefa ny fitiavan’Andriamanitra fa na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mivonona hanary ny olona tanteraka Izy , fa mbola Izy indray no misisika miala nenina manao izay hiverenan’ny olona Aminy . « Hamerina ny tànako ho aminao indray aho » (and 25) ,hoy ny Tompo . Moa tsy isika izao ve izany nefa nomena i Jesoa hamonjy antsika , dia mbola hiziriziry ihany ve fa tsy handray Azy ? Moa hahita fitiavan-dalina tahaka izany va isika ?

Fanontaniana :

Raha mandinika ny fiainanao manokana ianao , velom-bolo sa diso fanantenana aminao kosa Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM