Rava ny herin’ny ota

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Aprily 2022

Romana 6. 8-14

Romana 6. 8-14
8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan'] 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

Rava ny herin’ny ota

Manome andiana fanazavana mafonja i Paoly eto amin’ity Romana 6 ity, mikasika ny fahafahana amin’ny fangejan’ny ota. Rava ny herin’ny ota satria :

1 – Miara-miaina amin’i Kristy ny mpino (6. 8- 10)

Eo amin’ny fotoana andraisan’ny mpino an’i Kristy, dia raisin’Andriamanitra an-tànana ny fiainany. Ny firaisantsika amin’i Kristy dia manomboka eo amin’ny fahafatesantsika ao amin’ny ota, ary mitohy amin’ny fiainana ao amin’i Kristy mandrakizay. Miara-miaina amin’i Kristy ny mpino satria :

2 – Maty ny amin’ny ota fa velona ao amin’Andriamanirra (6. 11-14)

Amin’ny maha mpino antsika dia tokony hihevitra mandrakariva isika fa olona maty, nefa novelomina ao amin’i Kristy mba hiainana amin’ny maha olon’Andriamanitra antsika. Efa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Kristy ilay isika taloha. Tsy tokony hanjaka ao amintsika intsony ny ota, fa tokony hanolotra ny tenantsika ho anAndriamanitra, ka ny momba ny tenantsika dia ho fiadian’ny fahamarinana. Ambarao eo amin’ny hafa fa velona ao amin’i Kristy ianao mba ho fianarana ho azy koa. Rava ny herin ny ota, miara-miaina ao amin’ny Tompo ny mpino, velona mandrakizay.

Fanontaniana :

Fahavelomana ao amin’ny Tompo ve ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM