Raisin’Andriamanitra ho zanany ny olona :

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Martsa 2021
Deoteronomia 8,1 - 14
1 [Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny Isiraely sy ny nampanetreny tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona izy ka manadino an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy. 2 Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. 3 Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona. 4 Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao. 5 Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao. 6 Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy. 7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra, 8 tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely, 9 tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. 10 Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao, 11 dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio; 12 fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao, 13 ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra, 14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana,

Raisin’Andriamanitra ho zanany ny olona :

Manana iraka hamolavola olom-banona ny ray , ka tsy maintsy ataony avokoa izay fomba rehetra hahatanteraka izany ary koa ny zanaka tiana, hoy ny fitenenana , tsy hitsitsiana rotsa-kazo. Raha Ray ary Andriamanitra dia tena manantanteraka izany koa Izy : mananatra, mampianatra, misedra ary manasoa ny zanany amin’ny lafiny rehetra mihitsy.

  • Mananatra ny zanany Izy :

Ny mba hahaizan’ny zanany manetry teny ka hahafantaran’izy ireo fa Andriamanitra no naha- toy izay azy ireo. Andevo izy ireo, nivezivezy 40 taona tany an’efitra, tsy nanana na inona na inona nefa afaka niaina, nivelona tahaka ny olona rehetra noho ny nataon’Andriamanitra taminy ihany. Ampianarina hahay hankato an’Andriamanitra izy noho izany hanaiky ny Teniny, hitandrina ny lalàny sy hanaraka izany. Ny fandehanana tany an’efitra araka izany ho fisedrana azy ireo raha hanaiky tokoa ny Tompo izy.

  • Manasoa ny zanany Andriamanitra :

Nanome hanina mahavoky ny zanany Izy : ny mana

Nahatonga ny fitafiana hateza mandritry ny naha-tany an’efitra ny zanany koa Izy

Niaro tamin’ny fomba mahagaga ny vatana tsy ho azon’aretina Izy nandritry ny fivezivezena. Nanao izay hahatsara indrindra ny fiainan’ny zanany Izy ka nampandova azy ireo tany soa sy mahavokatra ary harena.

Ny tena nokendrena tamin’ny zavatra rehetra na soa na ratsy dia hahatonga ny olona hiankina sy hatoky ny Tompo

Fanontaniana :

Avy aiza ny harena sy ny fahombiazan’ny olona ? Rariny ve raha atolotra hisaorana ny Tompo ny fananan’ny olona ?