Raha te ho any an-danitra ianao
Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Oktobra 2025
Sal 92, 1-5 / HF 7: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 267: 4
Matio 22,1 - 14
1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe: 2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy. 3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo. 4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa at? amin'ny fampakaram-bady ianareo. 5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony. 6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy. 7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanĂ nany. 8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika. 9 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady. 10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. 11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. 12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. 13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tĂ nany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
Matio 22, 1-14
Raha te ho any an-danitra iana:
1. Valio ny antson’ny Tompo (and 9-10)
Oharin’i Jesoa ho toy ny mpanjaka manao fanasana fampakaram-bady ny fanjakan’ny lanitra eto. Fanasana in-telo misesy no nataon’ny mpanjaka: ny voalohany, fanasana manokana, ny faharoa fampahafantarana ny fahavononan’ny zavatra rehetra ho amin’ny fampakaram-bady; ny fahatelo dia fanasana ho an’ny rehetra teny amin’ny sampanan-dalana. Ny mpanjaka dia entina ilazana an’Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, ary ny fanasana dia ny antso hidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Asehon’i Jesoa eto fa natao ho an’ny olona rehetra ny fanjakan’ny lanitra. Takiana amin’izay te ho any an-danitra ny famaliana ny antsony.
2. Tanteraho ny sitrapon’ny Tompo (and 11-12)
Maro no milaza fa anisan’ny ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, nefa tsy miakanjo akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, tahaka ity lehilahy iray ity. Mahatezitra ny tompon’ny fanasana izany ka mahatonga azy haniraka ny mpanompony hamatotra ny tongony aman-tanany, ka hanary azy any ivelany. Araka izany, ny fidirana any an-danitra dia mitaky asa, anehoana fiovam-po sy fiovam-piainana ao amin’ny Tompo. Navoaka ilay lehilahy satria na dia maimaim-poana aza ny fanasana, tsy afaka ny handika sy hanimbazimba ny fitsipiky ny fampiantranoana ny vahiny. Nomena maimaim-poana ny famonjen’ Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa, kanefa tsy maintsy manana fitondrantena mendrika ny olona tafiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Mila manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo isika, raha te ho any an-danitra. Itafio avokoa ary ireo toetra mendrika ny maha-kristiana,
Fanontaniana:
Efa vonona ho any an-danitra ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe