Raha ny Fanahy Masina no mameno antsika dia

Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Oktobra 2024

Asan'ny Apostoly 2. 5-13

Asan'ny Apostoly 2. 5-13
5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany? 13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.

Raha ny Fanahy Masina no mameno antsika dia

1. Mahagaga ny asa vitantsika (and 7)

«Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? ». Ny Galiliana dia monina any faritra farany ambanivohitra, ary manarato no fototr’asan’ny olona any. Fa any Jerosalema kosa no renivohitry ny fandrosoana rehetra. Kanefa noho ny asan’ny Fanahy dia nahay niteny tamin’ny fitenim-pirenena samihafa ireto noheverina fa tsy nahita fianarana ireto. Ary izany no mampitolagaga ny maro. Voaporofo eto ny hoe: «Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jeremia 32:27). Tsy misy olona na iza na iza araka izany azontsika tsaraina amin’ny dingam-pianarana vitany, na lentam-pahalalana tratrany; fa ny olona rehetra na dia izay tsy nadia fianarana indray maraina akory aza, dia azon’Andriamanitra ampiasaina hanehoana ny voninahiny, ka tonga fitaovana hitaomana ny olona hino sy handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy mba hisitraka ny famonjena.

2. Hisy hitsangana hanaratsy antsika (and 13)

Hoy ny fitantarana eto hoe: «Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo. ». Nataon’ny sasany ho fihomehezana ny fanehoan’Andriamanitra ny voninahiny. Tsy mahagaga izany, efa nihatra tamin’i Jesoa izany, namoaka demonia Izy, nolazaina fa lohan’ny demonia. Nomena tsiny hatrany Izy, nefa tsy nampihemotra Azy izany, fa vitany hatramin’ny farany ny zara fanompoany. Mampahery antsika enjehina sy arabiana noho ny asan’ny Fanahy Masina, efa nampiomanan’i Jesoa antsika rahateo izany (Lio 21. 17). I Jesoa ihany henoina, aza mety hokivian’ny hafa, tsy mahatakatra ny hevitr’Andriamanitra.

Fanontaniana

Hatraiza ny anjara toeran’ny Fanahy Masina ao anatinao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe