Raha mahafoy vola be ho an’ny asan’ny Tompo ny olona , mahasoa azy izany sa faty antoka ho azy ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Septambra 2020

LIOKA 12.16-21

LIOKA 12.16-21
16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be. 17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? 18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. 19 Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. 20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao? 21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.

Raha mahafoy vola be ho an’ny asan’ny Tompo ny olona , mahasoa azy izany sa faty antoka ho azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM