Raha hihaona amin’ny Tompo ianao dia:
Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Novambra 2023
SALAMO 24.1-10
SALAMO 24.1-10
1 [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. 2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy. 3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina? 4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. 5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. 6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba] 7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay] 8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. 9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. 10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.Raha hihaona amin’ny Tompo ianao dia:
1-Aoka hadio tànana sy hahitsy fo
Tsaroana eto ny Tenin’Andriamanitra hoe: »Aoka ho masina ianareo satria masina Aho , Jehovah Andriamanitrareo » (Lev 19.2).Takin’Andriamanitra izany ho an’izay olona mivavaka sy manatona Azy.Efa voalazany rahateo hoe: « ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka dia tsy mihaino Izy . Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny rà, ary ny rantsa-tananareo amin’ny heloka ,ny molotrareo miteny lainga , ny lelanareo mibedibedy faharatsiana » (Isaia 59.2-3). Na dia izany aza anefa dia afaka hanadio tena eo anatrehany isika fa mila ny fanadiovana amin’ny Ran’i Jesoa Kristy .
2-Miomana handray fitahiana
Rehefa lavorary ny fahafahantsika hihaona amin’Andriamanitra dia tolorany fitahiana isika , hoy ny and 5 eto . Izany dia manamarina ny teniny fa izay manatona Azy dia tsy mba holaviny mihitsy .Fitahiana izay mariky ny fandraisana andraikitra ataon’Andriamanitra amin’ny olony , ka hahazoantsikaa fahombiazana sy fahalavorariana amin’izay ataontsika .Eto no tanterahany ny teniny hoe : »…ary ny zanako sy ny asan’ny tànakp dia aoka ho adidiko ihany « (Isa 45.11) sy ny hoe: « ...indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat 28.20)
Fanontaniana :
Tanisao ireo sakana azonao ialana raha hihaona amin’ny Tompo
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM