Paoly Apostoly olom-boaantso
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Jolay 2025
(Sal 134 / Hira 295 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307)
Galatiana 1.11-17
11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. 13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [* Gr. eklesia] 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. 15 Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany, 16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho, 17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.Paoly Apostoly olom-boaantso
Ambaran’ny mpanoratra amin’izao mofonaina anio izao ny momba an’i Paoly:
1-Ny fiainany taloha:
Taloha i Paoly dia voabaikon’ny finoana Jiosy ny fomba fisainany: ny asany, ny fihetsiny. Voamariky ny fankahalana ny Fiangonana ny fiainany teo aloha, nanandratra avo tamin-kafanam-po ny lovantsofina avy tamin’ireo razany izy (and.13-14). Olona avara-pianarana izy, tia ny fivavahana Jiosy. Ary izany no nahatonga azy hanenjika ny Fiangonana. Tsy i Paoly ihany no manana ny « Taloha » fa isika mpino izay manara-dia an’i Jesoa Kristy, isika olom-boaantso izay navahany tao anatin’ny maro. Izao no fanontaniana: mba afaka mitantara ny taloha ve ianao?
2- Ny fiainany ankehitriny:
I Paoly ilay voalaza ho mpanenjika ny Fiangonana teo aloha, no lasa niova fo teo an-dalan’i Damaskosy, no indro fa niova ho Apostoly (Asa 9. 1-19). Milaza ny « ankehitrininy » izy, ka hoy izy hoe natokany hatrany am-bohoka aho, ary nantsoiny noho ny fahasoavany (1.15). Ireharehany ny ankehitriny, ka tsy misalasala. izy miteny hoe fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko (1 Kor 15. 10). Lasa Apostolin’ny Jentilisa izy (1.16; Asa 26. 12-18), nitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy manerana ny tany. Mba afaka mitantara ny ankehitrininao ve ianao, eo amin’izay niantsoan’ny Tompo anao?
Fanontaniana :
Mba lazao amin’ny fehezanteny vitsivitsy ny fiainanao taloha sy ny ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe