Paikadin’izay mila famonjena
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Novambra 2020
MATIO 9.27-31
MATIO 9.27-31
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô! 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. 29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao. 31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.Paikadin’izay mila famonjena
1- Misafidy an’i Jesoa
Maro ny olona jamba no nisafidy hijanona eny amoron-dàlana hitady fiantrana amin’ny mpandalo .Izay mirahalahy kosa dia nisafidy ny tsy hijanona eo amoron-dàlana fa hanaraka an’i Jesoa ka hangataka fanasitranana . Izany no fihetsika tena faka tahaka hitantsika eto . Raha ny zavatra hita mantsy dia samy fangatahana avokoa, na izay atao amin’ny olona mandalo na ny antso atao amin’i Jesoa . Ny fiantrana ataon’ny olona dia manala ny ampahan’ny fahasahiranany fa ny fiantsoana an’i Jesoa dia manala ny fototry ny olana . Mazava ny Tenin’i Jesoa : » Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana , fa Izaho no hanome anareo fitsaharana » (Matio 11.28)
2-Manara-dia an’i Jesoa
Eo amin’ny and 28 rehefa nanontany azy ireo i Jesoa raha mino izy roalahy fa afaka mampahiratra azy ireo Jesoa dia « eny » no navaliny .Teny an-dàlana dia efa nanaraka sy niantsoantso an’i Jesoa izy ireo , ary nanaraka an’i Jesoa hatrany an-trano izay nidirany . Tanaraina izany fihetsik’izy ireo izany ka toa mora , fa tena sarotra tanterahina satria jamba izy ireo .Moa tsy toy izany koa ve no asain’ny Tompo ataontsika ? Misy amintsika anefa rehefa mivavaka ka tsy mahazo valiny eo no eo dia kivy sy miova hevitra ka mitady famonjena any an-kafa .Faharetana mivavaka Aminy no andrasana amintsika satria Izy no hany mahavonjy .
« … Tompo ô ,hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay » (Jao 6.68)
Fanontaniana :
Efa manana tetika maty paika ve ianao hahitana famonjena ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM