16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo aty amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.18 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka…
Asongadin’ny mpanoratra eto ny fomba nentin’Andriamanitra nampandresy an’i Davida tamin’ny ady izay natrehiny Nandray anjara tamin’ny fanohanana an’i Davida ka…
Alahady, faha 14 Mey 2023