Ny Fanahin’ Andriamanitra
"Ny Fanahin'i Jehovah no mampleny ahy: ary ny teniny no amin'ny lelako" hoy i Davida mpanjaka eto. Hitantsika eto amin'ny tantaram-piainan'i Davida hatrany amin'ny fiandohany (1Sam.16) ka hatreto amin'izao fiafarany izao fa nahazo sitraka tamin' Andriamanira izy handimby an'i Saoly mba hanjaka amin'ny firenena Isiraely izay vahoaka masina ho Andriamanitra. Porofon'izany fankasitrahan' Andriamanitra azy izany izao mbola ampitenenany aey amin'ny alalan'ny Fanahiny izao Raha toa kosa ka tsy mba toy izany no niafaran'ny fanjakan'i Saoly fa nialan'ny Fanahin'i Jehovah izy. Fomba fiasan' Andriamanitra rahateo izany mifidy sy miantso olona manokana hampitondraina hafatra na irahina hamonjy ny vahoakany.
2Samoela 23,1-7 Ny Fanahin' Andriamanitra: 1-Fanahy mampiteny "Ny Fanahin'i Jehovah no mampleny ahy: ary ny teniny no amin'ny lelako" hoy…