Olona manao ahoana no manana fahatokiana hiditra amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Aogositra 2021

HEBREO 10.19-25

HEBREO 10.19-25
19 [Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, 20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy] 23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); 24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; 25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

Olona manao ahoana no manana fahatokiana hiditra amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM