Olona afaka ny kristiana amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Jona 2023

1 JAONA 5.1-9

1 JAONA 5.1-9
1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. 4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? 6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. 7 Fa misy telo izay manambara, 8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. 9 Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.

Olona afaka ny kristiana amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra

and3 : »fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny sady tsy mavesatra ny didiny « 

Jaona Apostolin’iJesoa dia olon’ny fitiavana ka izay mihitsy no nahatonga ity teny ambarany ity ,fa raha te-hampiseho fa tia an’Andriamanitra isika dia mitandrina ny didiny .Raha henoina anefa ny hoe : « didy  » di toa manohintohina ny atao hoe fahafahana satria tsy maintsy tanterahana ny didy.Ny didin’Andriamanitra kosa anefa tsy mavesatra satria tsy hoe : « na tiana na tsy tiana « . Mora io rehefa ao am-po ilay fitiavana . Tahaka ny olona iray latsam-pitiavana amin’ny olo-tiany , tanterahany hatrany sitrapon’iny olo-tiany iny na sarotra na mora. Dia toy izany ny didin’iKristy izay sarotra arahana amin’ny tsy kristiana fa mora amin’ny kristiana tena tia Azy .

Ao anaty fahafahana tanteraka no hanatanterahana izany didiny izany ,tsy mavesatra aoa an-tsaina mihitsy . Hoy iPaoly : « Ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana  » (2 Kor 3.17). Araka izany teny izany ny olona manana ny Fanahy Masina dia manam-pitiavana ary izay tia amin’ izany fitiavana an’ Andriamanitra izany dia olona afaka tanteraka .Raha misy olona milaza ho kristiana mitia an’Andriamanitra sy ny namany ka miteny hoe: « tsy fidiny ahy » dia azo lazaina fa kristiana tsy manana ny Fanahy Masina izany olona izany .

Fanontaniana :

Efa nitia an’Andriamanitra sy ny namana tamin’ny fitandremana ny didiny ve ianao, tsy mahatsapa ho voatery ve ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM