Olona afaka ao amin’i Kristy ianao
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Jolay 2020
1 KORINTIANA 8.8-13
1 KORINTIANA 8.8-13
8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.Olona afaka ao amin’i Kristy ianao
1-Ivelomy ny fahafahanao
Ny hevitry ny teny hoe: « fahafahana » dia fananana safidy malalaka na fahefana mitondra ny fiainany araka izay tiany , nefa ao amin’i Kristy . Ny kristiana tao Korinto na dia hoe : vao niana-namindra amin’ny fiainana kristiana aza , dia nisitraka io fahafahana io . Izany hoe : nanana fahefana sy safidy ny amin’izay hataony sy hitondrany ny fiainany fa tsy voatery nanaraka amin’ny antsipirihany sy ara-bakiteny ny lalàna Jiosy .Tsy fahafahana baranahiny akory no ambara eto fa safidy baikon’ny maha- efa an’i Kristy . Koa satria efa ao amin’ i Kristy izy dia tsy mampaninona azy akory na hihinana na tsia ny hena efa naterina tamin’ny sampy .Isika mpino koa dia tokony hiaina amin’ny fahafahana , nefa tsy hanadino fa iainana ao amin’i Kristy izany .
2-Nefa aoka tsy hanafitohina ny hafa izany (and9b)
Saingy mampianatra ihany koa i Paoly , fa tsy tokony entina amin’ny fitiavan-tena ka tsy hiheverana afa-tsy ny tena io fahafahana io , fa fahafahana miteraka andraikitra . Izany hoe : tokony hitsinjovana ny hafa izay mety ho fiantraikany mba tsy hanjary vato mahatafitohina .Ny olona efa ao amin’i Kristy no jeren’ny malemy , ka raha tsy voalanjalanja ny atao dia hampiditra ny hafa amin’ny fahotana ilay fahafahana , ary dia hanjary vato mahatafitohina . Ny olona efa ao amin’i Kristy no jeren’ny malemy , ka raha tsy voalanjalanja ny atao dia hampiditra ny hafa amin’ny fahotana ilay fahafahana , ary dia hanjary heloka eo anatrehan’ Andriamanitra indray satria toy ny manisy vato eo anoloan’ny jamba hahapotraka azy (Lev 19.14). Aoka hahay handefitra ny amin’izay heverintsika ho zava-maivana ho an’ny tenantsika isika , fa hijery izay mety ho vokatr’ izany amin’ny hafa .
Fanontaniana :
Lazao izay fihetsika mety hanafitohina ny olona mbola malemy ka azon’ny kristiana tsy atao .
Sampana Sekoly AlahadyFOIBE FJKM