Olom-boaantso ny mpino.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Jolay 2025
(Sal 133 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 340)
Matio 15.32-39
32 Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tat? amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy. 33 Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo at? an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao! 34 Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana. 35 Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany. 36 Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka. 37 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito. 38 Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. 39 Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.Olom-boaantso ny mpino.
1-Afaka manome izay kely eo am-pelatanana
Ny namahanana ny olona efatra arivo no ambaran’ny Soratra Masina amintsika mpamaky eto, izay mofonaina voalahatra anio Alarobia. Nisy vahoaka maro be nanaraka an’i Jesoa teo an-tendrombohitra (and.29-30), ary nijanona teo Jesoa nandritra ny hateloana. Nanapa-kevitra i Jesoa fa hanome sakafo azy ireo, ka nahatonga Azy niantso sy naniraka ny mpianatra hitady hanina. Ny olona izay antsoina ka mamaly izany antso izany dia afaka manome izay kely eo am-pelatanany toy izay hita eto: mofo fito sy hazandrano vitsivitsy. Izay teo aminy no azony nomena. Ho anao izay antsoin’Andriamanitra koa, na aiza sehatra na toerana misy anao, miantefa aminao ny antso, satria mpino ianao. Manomeza araka izay azonao atao, satria fantatr’Andriamanitra fa afaka manome ianao. Dia ataovy amin’ny fifaliana izany, satria izay no sitrak’Andriamanitra.
2-Manaiky ny fandaminana
Ny marika iray izay mba iavahana amin’ny hafa, amin’ny maha olom-boaantso dia ny fanekena ny fandaminana eo amin’izay sehatra iantsoana. Eto ny mpianatra dia nanaiky ny fandaminana: nanome izay teo aminy izy ireo. Tsy nanome ihany fa nanaiky hizara izany ho an’ny vahoaka (and.36). Nankato izy ireo, na dia teo aza ny ahiahin’ny mpianatra, satria maro ny vahoaka. Ny fanekena ny fandaminana no isehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra amin’izay anirahana koa aza mba ho anisan’ny mpanohitra fandaminana, izay tsy hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, fa aoka ho olon’ny fandaminana isika.
Fanontaniana :
Mba manam-pinoana ve ianao, fa Jesoa dia mahay mampitombo izay kely anananao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe