Ny zavatra ilain’Andriamanitra aminao :

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Novambra 2020

MIKA 6.6-8

MIKA 6.6-8
6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? 7 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko? 8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena

Ny zavatra ilain’Andriamanitra aminao :

1-Manao ny marina

Raha ny fifandraisana amin’ny olona samy olona no ambara dia ny fanaovana ny marina sy mahitsy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa no lazaina amin’izany .  » Izao no zavatra hataonareo : samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo, mitsarà marina , eny mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo » (Zak 8.16) . Raha amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra kosa dia toy ny fahamarinan’i Joba :fahatahorana an’Andriamanitra sy fialana amin’ny ratsy . « ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy » (Joba 1.1)

2-Tia famindrampo

Fanehoana fiantrana sy fahalemem-panahy amin’izay tokony handray izany .Toetr’Andriamanitra io , izay asehony amin’ny alalan’ny fampitoniany ny fahatezerany amin’ny olona (jereo Sal 78.38). Fototry ny famindrmpo ny famelankeloka. Toetra izay takian’Andriamanitra amintsika izany . Sarotra ny manatanteraka izany raha tsy ananantsika ny sain’iKristy .

3-Hanaraka Azy amin’ny fanetrentena

Ny fanetrentena dia fahatsiarovantsika fa olona malemy isika ka mila ny fanampian’ny hafa ivelantsika .Eto dia ny fanampian’Andriamanitra no ilaintsika .Fakampanahy mahazo antsika olombelona ny fiheverantena ho zavatra (Oha 15.33/22.4) .Tsy maintsy miezaka hanana fanetrentena isika satria efa lavon’ny fahotana . Ny fanetrentena no hafahan’i Jesoa miasa ho antsika .

Fanontaniana :

Iza amin’ireo telo ireo no hitanao fa sarotra tanterahina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM