Ny Zanak’olona no fanavotana ho antsika
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Mey 2021
JAONA 3.9-15
JAONA 3.9-15
9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany? 10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany? 11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo. 12 Raha ny zavatra et? an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra. 14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, 15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.Ny Zanak’olona no fanavotana ho antsika
Tsy azon’i Nikodemosy ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny fahateraham-baovao .
1-Ny fahatongavan’ny Zanak’olona
Ny teny hoe : Zanak’olona dia entin’i Jesoa ilazany matetika ny tenany . Miaina anaty fahoriana isika olombelona raha mbola eto amin’izao tontolo izao . Ny fidinan’i Jesoa tety an-tany sy ny fahafahany miakatra any an-danitra no ahafahantsika mifandray amin’Andriamanitra izay any an-danitra. Misantatra fiainan-danitra sahady isika izay manaraka Azy sy manana firaisam-panahy Aminy na dia mbola ety an-tany aza.
2-Ny fahafatesan’ny Zanak’olona
Ny fahotantsika no mahameloka antsika eo anatrehan’Andriamanitra . Tia antsika anefa Izy , ka naniraka ny Zanany mba ho fanavotana antsika. Ny fahafatesan’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana no handreseny ny herin’ny ota sy ny fahafatesana satria mbola hatsangana amin’ny maty Izy ka ho velona mandrakizay .
3-Ny fisandratan’ny Zanak’olona
Ny anton’ny fidinan’ny Zanak’olona tety ambonin’ny tany dia ny hitondra antsika rehetra hiara-miakatra Aminy any an-danitra . Hasandratra ny Zanak’olona , hoy i Jesoa « Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy » (and14,15). Koa izay rehetra mino Azy dia hanana fiainana tsy misy heloka mitambesatra ao amin’ny fanahy , fiainana tsy andairan’ny fahafatesana intsony , fiainana anjakan’ny fitiavana tahaka ny nitiavan’Andriamanitra azy .
Fanontaniana :
Nahoana no tsy azon’i Nikodemosy izay nambaran’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM