Ny zanaka hendry

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Jona 2025

Sal 111 / Hira 786.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 39.2

Ohabolana 23, 19-25
19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao. 20 Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; 21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. 22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. 23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. 24 Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. 25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.

Na ny fisotroana divay na ny fitiavana hena na ny fitiavan-torimaso dia mihevitra ny an’ny nofo avokoa izany. Mety mahafaly sy mahafinaritra ny nofo ireny ao anatin’ny fotoana fohy sy voafetra, fa tsy mahasoa akory. Hiteraka alahelo mihitsy aza, ary hisy voka-dratsy eo amin’ny fiainana manontolo. Izany indrindra no hitaoman’ny Soratra Masina eto mba tsy ho latsaka amin’ny fanaram-po amin’ny filan’ny nofo ka handositra izany. Mila mitandrina isika amin’izay ho namana miara-dalana amintsika satria mety hitarika ho amin’ny ratsy ny sasany amin’izy ireny. Aoka hanokana fotoana maro isika zanaka hanompoana an’Andriamanitra mba hitomboana ara-panahy ka handresena ny filan’ny nofo. « Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo » Gal.5,16.

Izao Soratra Masina izao dia mitaona ny zanaka hankato ny ray aman-dreniny. Ny fanekena ny tenin’ny ray aman-dreny sy fandraisana ny fananarany dia endriky ny fanajana azy irco. Izany fanajana izany dia iray amin’ireo didy folo nomen’Andriamanitra, izay antoky ny fahazoana fitahiana. Tena rehareha sy fifaliana ho an’ny ray sy reny ny manana zanaka hendry feno fanajana azy ireo. Ny fanajana azy ireo dia mandritra ny andro ahavelomany fa tsy amin’ny vanim-potoana voafaritra ihany akory, na sanatria rehefa antitra dia hatao tsinotsinona. Sanatria anie izany! Ny loharanom-pahendrena dia ny Tenin’Andriamanitra irery ihany. Koa maneke hiaina sy hovolavolain’ny Soratra Masina mandrakariva.

Nahoana no maro ny zanaka maditra ankehitriny?