Ny zanak’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Febroary 2021

JAONA 8.39-47

JAONA 8.39-47
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo. 40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama. 41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany. 42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako at? ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. 43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')] 45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo. 46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? 47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.

Ny zanak’ Andriamanitra

1-Tia an’i Jesoa Kristy

« Hoy Jesoa taminy : Raha Andriamanitra no rainareo dia ho tia Ahy ianareo ... » (and42)

Nirehareha amin’ny maha- taranak’i Abrahama azy ny Jiosy kanefa nony nandre ny toriteny nataon’i Jesoa Kristy momba ny fahafahana , nilaza ny Tenin’Andriamanitra dia nitady hamono an’i Jesoa Kristy , Ilay irak’Andriamanitra Ray ny Jiosy , kanefa milaza ho zanak’Andriamanitra . Ny zanak’Andriamanitra dia tia an’ i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra fa tsy sanatria hamono Azy . Miara-monina sy mifanerasera amin’i Jesoa Kristy ny zanak’Andriamanitra , amin’ny alalan’ny teniny , satria Andriamanitra Ray no naniraka Azy . Noho izany , ny zanak’ Andriamanitra dia tia an’i Jesoa Kristy .

2-Mihaino ny Tenin’i Jesoa Kristy

« Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo  » (and43)

Voalazan’i Jesoa fa olona « tsy mahay mihaino » ny Jiosy teto , izany hoe : tsy mety tonga amin’ny finoana ny tenin’i Jesoa Kristy , kanefa izay tsy mino ny tenin’i Jesao Kristy dia zanaky ny devoly , ka ny tenin’ny devoly no inoany . Koa raha milaza ho zanak’ Andriamanitra ireto Jiosy ireto dia tokony hino ny tenin’i Jesoa Kristy . Noho izany , marika famantarana ny maha- zanak’Andriamanitra anao ny finoana ny teniny . Raha misy olona milaza azy ho zanak’ Andriamanitra , kanefa tsy mino an’i Jesoa Kristy izy dia mandainga . Satria zanak’Andriamanitra ianao , mahaiza mihaino ny tenin’i Jesoa Kristy ka manaraha Azy eo amin’ny fiainanao rehetra .

Fanontaniana:

Inona avy no hanehoanao ny maha- zanak’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM