Ny vokatry ny tsy fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Jolay 2016
Jeremia 22,20 - 25
20 Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao. 21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko. 22 Ny mpitondra* anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry ondry] 23 Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao*, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao] 24 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao, 25 Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.

MPIARA-MIASA AMIN’NY TOMPO NY MINOJEREMIA 22.20-25

Ny vokatry ny tsy fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra

Babylona no fahavalon’ny firenen’ ny Joda tamin’izany . NY olana dia tsy mety mihaino ny tenin’i Jehovah izay nampitondraina ny Mpaminany ny olona (and20-22). Io tsy fihainoana ny tenin’i Jehovah io no tena fototry ny fahavoazana mahazo ny firenena . Vokany :

Henatra sy fangaihaizana (and22)Natoky ireo firenena Jentilisa ny mpanjaka ka tsy nihaino an’i Jehovah, kanefa ho resy avokoa ireo ka i Joda irery sisa no hihanjahanja , ho menatra eo , tsy hanana ianteherana intsony . Rehefa tsy mety mihaino izay lazain’ny tenin’ Andriamanitra ny mpitondra na ny vahoaka dia tsy hahita fahombiazana amin ’ ny ady ifanatrehana amin’ny satana ka hataony afa-baraka sy ho menatra .

Fahababoana (and25)Ny olona izay tsy mihaino sy mankato ny Tenin’ Andriamanitra , tonga babon’ny fahavalo dia satana ka fahafatesana no anjarany . Raha tsy i Jesoa irery ihany no ianteherantsika sy henointsika dia tsy maintsy ho resy isika manoloana ny adintsika. Izy irery no manafaka antsika amin’ireo fahavoazana ireo .

Fanontaniana :Nahoana no tsy te-hihaino ny Tenin’ Andriamanitra ny olona ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM