Ny vokatry ny fitoriana an’i Kristy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Septambra 2023

Kolosiana 2,1-7

Kolosiana 2,1-7
1 [Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo, 2 mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy, 3 Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra. 4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina. 5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy. 6 Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, 7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana. [* Na: (mitombo amin'izany)]

Ny vokatry ny fitoriana an’i Kristy

1- Fahalalana an’i Kristy

I Paoly Apôstôly dia nazoto tamin’ny fitoriana ny Filazantsara ka nitety toerana maro. Niezaka mafy izy, mba ho tafaray tsara amin’ny fitiavana ireo ka hahery sy hahatoky ny fahazavan-tsaina omen’Andriamanitra, mba hahalalan’ireo ny tsiambaratelony, dia i Kristy. Zavadehibe araka izany ny fahalalana an’i Kristy satria miafina ao Aminy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy fahalalana avy min’Andriamanitra (and.3). Ny fahalalana an’i Kristy ihany koa no hahazoana manohitra fampianaran-diso samihafa, satria maro tokoa ireo voafitaky ny fandrebirebena tsara lahatra sy ireo diso hevitra amin’ny teny toa marina. Ny fitoriana an’i Kristy izay ataon’ny mpanomon’Andriamanitra tokoa no ahazoana fahalalana mahakasika Azy mba hananana ny fahafenoana rehetra. Sarobidy ny fahalalana an’i Kristy.

2- Fandehanana ao amin’i Kristy

Naneho ny fifaliany tamin’ireo Kolosiana i Paoly. Nananatra azy hatrany, na dia efa nijoro tamin’ny finoana azy izy ireo (and.6). Nampahareziny izy ireo mba hanana fitondrantena toy ny olona tafaray amin’i Kristy. Tsy izany ihany anefa fa mba hitoeran’izy ireo amin’ny finoana araka ny efa nampianarina (and.7). Ny fitoriana an’i Kristy izay ataon’ny mpanompon’Andriamanitra ihany koa dia mahatonga ny olona handeha ao Aminy amin’ny alalan’ny finoana hanana fitondran-tena mendrika. Hitantsika amin’izany fa tsy mijanona eo amin’ny fahalalana an’i Kristy ihany ny vokatry ny fitoriana Teny fa mahatonga ny olona ihany koa handeha sy hiaina miaraka Aminy

Fanontaniana

Mitondra inona eo amin’ny fiainanao ny fitoriana an’i Kristy ataon’ireo mpanompon’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE F.J.K.M.