Ny vokatry ny fahotana.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Desambra 2024

Genesisy 3.9-15

Genesisy 3.9-15
9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? 10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. 11 Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao? 12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. 13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15 Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.

Ny vokatry ny fahotana.

1- Simba ny fifandraisana Aminy.

Rehefa nanohitra ny sitrapon’ Andriamanitra i Adama sy Eva dia nahatsiaro ho nitanjaka ka niafina sy te hanalavitra Azy sady natahotra (and 10). Izany no mahazo ny olona rehefa mihevi-tena ho hendry sy te hahaleo tena ka tsy mankato ny Teniny. Be fitiavana anefa Izy ka miantso sy mitady ny mpanota hiverina Aminy. Fanontaniana mitarika ho amin’ny fampieritreretana mba hanetry tena sy hiaiky heloka no apetrany: « Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao? »(and. 11).

2- Simba ny fifandraisan’ny olona samy olona.

Rehefa misy zavatra tsy mety dia ny hanome tsiny ny hafa no tonga ao an-tsain’ny olona mpanota, fa tsy mba mahadinika ny hadisoany. Tompon’andraikitra amin’ny fahotany ny olona tsirairay ka tsy tokony hanilika izany amin’ny hafa. Eto i Adama dia sady toa te hanome tsiny an’Andriamanitra izay nanome vehivavy ho vadiny no manome tsiny ny vadiny ihany koa. « Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. »(and.12). Ny vehivavy koa dia nanilika ny fahadisoana tamin’ny menarana fa tsy niaiky ho diso.

3- Famaizana:

Samy nahazo ny sazy sahaza azy ny tsirairay, araka izay fahotana nataony. Andriamanitra dia efa nilaza hoe: « …fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. »(Gen 2.17). Hitantsika eto anefa fa tsy sitrak’ Andriamanitra ny hahafaty ny olona noho ny fahotany, miseho miharihary ny fitiavana sy ny famindrampony hamonjy ny mpanota. Matoa isika mbola omeny tombonandro ahavelomana dia tiany hiverina Aminy.

Fanontaniana:

Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny miaiky fa diso?

Sampana Sekoly Alahady Foibe