Ny voarakitry ny fanekena ataon’Andriamanitra amin’ny voafidiny.

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Martsa 2024

Salamo 89: 19-37

Salamo 89,19 - 37
19 Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy] 20 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy; 21 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy. 22 Tsy hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy] 23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy. 24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony. 25 Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony. 26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy. 27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. 28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy. 29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra. 30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko, 31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany, 32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony. 33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko, 34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako. 35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho: 36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako; 37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]

Ny voarakitry ny fanekena ataon’Andriamanitra amin’ny voafidiny.

Hery sy fisandratana (and 19-28)

I Davida mpanjaka eto no ilay voaſidin’i Jehovah sakaizany na lazaina hoe ilay tiany (and20). Ny vontoatin’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida io; dia izay rehetra miabo ka omeny sy ataony tamin’i Davida dia hery sy fisandratana izany. Tsy ho hain’ny fahavalo sy ny ratsy fanahy ampahoriana mihintsy fa ny fahavalo indray aza no hikoy aminy (and 22-23), Hisandratra avo dia avo noho ny anaran’l Jehovah (and 24-28).

Ry Havana, voafidy ve isika, ny faneken’ny Tompo amintsika dia mirakitra hery sy voninahitra; tsy noho ny amintsika fa avy Aminy, dia fisandratana arahina famindram-po ho amin’ny taranaka (29-36) Ny taranak’i Davida dia hahita fisandratana arahim-boninahitra koa ary ho mandrakizay io. Ary na dia hivadika amin’ny fanekena aza ireo taranany ireo dia tsy maintsy hamindrany fo. Ry Havana, mamy ery izany teny izany; hery sy voninahitra ho amin’ny zanaky ny olom-boafidy hoy ny Salamo 128: 3-20: « ny zanakao dia tahaka ny zanaka oliva manodidina ny latabatrao ».

Fanontaniana:

lanao io àry ve mahatsapa fa voafidin’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe