Ny vahaolana ao amin’i Jesoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Janoary 2025
Sal 118.1-6 / Hira 14.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 539.1-2
Jaona 2. 1-12
1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy. 2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady. 3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. 4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. 6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. [*Gr.metatra] 7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy 10 ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo] 11 Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. 12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.Ny vahaolana ao amin’i Jesoa
1- Omeny amin’ny fotoany
Rehefa nilaza taminy i Maria fa lany ny divain’ny mpampakatra dia novalian’i Jesoa hoe: « Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? Tsy mbola tonga ny fotoako ». Nentin’i Jesoa nanehoana tamin’ny reniny izany fa eo am-panatanterahany ny asan’Andriamanitra nanirahana Azy dia tsy manana zo hibaiko Azy amin’izay tokony hataony i Maria na dia reniny ara-nofo aza satria amin’ny maha Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy no iasany. Nasehony ihany koa fa tsy amin’ny fotoana itiavan’ny olona hahazo ny vahaolana no hanomezany ny vahaolana fa amin’ny fotoany. Izany hoe amin’izay fotoana fantany fa tokony hanaovana izany araka ny sitrapony. Mangataka no azontsika atao fa tsy afaka mibaiko an’i Jesoa amin’ny fotoana hanomezany valim-bavaka isika.
2- Azo amin’ny fankatoavana izay lazainy.
Fantatr’i Maria fa olona mpandray andraikitra i Jesoa ary izany no nitarainany taminy fa tsy dia ny hoe hanaovany fahagagana loatra. Izany no nilazany tamin’ny olona hoe ataovy izay asainy ataonareo na dia toa nanana endrika fandavana azy aza ny Tenin’i Jesoa. Tonga tokoa ny fotoanan’ny Tompo ka nibaiko ny olona izy ny hanovozana ny siny nofenoina rano. Niseho ny vahaolana satria rehefa nanatanteraka izay nolazainy tokoa ireo olona nobaikoiny dia gaga nahita fa niova ho divay tsara ny rano tao anaty siny. Izay mankato izay lazainy no mahita vahaolana.
Fanontaniana:
Efa nankato izay lazain’ny Tompo tokoa ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe