Ny tokony ho toetran’ny mpianatr’i Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Oktobra 2020

LIOKA 17.1-6

LIOKA 17.1-6
1 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany! 2 Aleo anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[*Na: ahodim-boriky] 3 Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. 4 Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. 5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. 6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.

Ny tokony ho toetran’ny mpianatr’i Kristy

1-Miala amin’ny fanafitohinana

« Tsy maintsy ho avy ny fahatafitohinana , nefa lozan’izay mahatonga izany ! » (and1)

Ambaran’i Jesoa fa tsy maintsy ho avy ny fahatafitohinana , dia ny toe-javatra izay mitarika ny olona ho mora latsaka ao anatin’ny fakampanahy sy sakana tsy ahafahana mitombo amin’ny finoana izany , indrindra ho an’ireo kely finoana . Manoloana izany anefa , aoka tsy ho avy amin’ny mpianatr’i Jesoa ny fanafitohinana ny hafa , indrindra ireo kely finoana . Araka izany , na inona na inona fahatafitohinana mahazo anao , aoka tsy ianao na avy aminao no hahatonga ny hafa tsy handroso amin’ny finoana satria tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny finoan’ny hafa ianao eo anatrehan’i Jesoa fa tsy hampihemotra azy .

2-Maharitra amin’ny famelan-keloka

« ...fa raha manota ny rahalahinao , dia teneno mafy izy ka raha mibebaka izy dia mamelà ny helony  » (and3)

Fampitandremana no nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra momba ireo rahalahy izay nanota mba tsy ho mpanome tsiny azy ireny fa ho mpananatra sy mpamela heloka kosa . Mila maharitra mamela heloka ny mpianatra , raha mbola miaiky ny fahadisoany ilay rahalahy nanao meloka. Araka izany , rehefa tonga ny andro fahatafitohinana , tsy tokony hitahiry alahelo amin’ny sasany ny mpino na hifankahala koa ary ny famelana ny heloky ny hafa no ahafahana manadio ny fo tsy hahatongavana amin’izany . Satria samy ankohonan’ Andriamanitra dia tomponandraikitra amin’ny rahalahy ny mpino tsirairay . Koa aza sasatra mamela ny heloky ny mpino namanao noho ny amin’i Kristy .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fihetsikao manoloana ireo malemy finoana . Inona no sakana tsy hamelanao ny heloky ny mpino namanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM