Ny tokony ho toetran’ny mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Novambra 2024

Isaia 42.1-4

Isaia 42.1-4
1 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy. 2 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. 3 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. 4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.

Ny tokony ho toetran’ny mpanompon’Andriamanitra

1- Manetry tena (and 1-3)

Faminaniana ny amin’i Kirosy faharoa izay mpanjaka nanafaka ny vahoaka jiosy tamin’ny fahababoana ity. Nefa ihany koa faminaniana ny amin’ny Mesia hanafaka ny vahoaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana dia Jesoa Kristy. Ny toetran’ireo mpanjaka roa voalaza ireo hita eto dia manana fanetren-tena. Kirosy, ankoatra ny maha mpanjaka azy, dia manana laza koa naharesy fanjakana lehibe (Babylona). Hita eto anefa fa manetry tena izy. Mitovy amin’izay koa Jesoa, na dia Zanak’Andriamanitra sy Mpanjakan’ny mpanjaka aza dia tena nanetry tena. Ry havana, tokony ho izany koa ny toetran’ny mpanompon’Andriamanitra koa ny fanetren-tena, araka izay ambaran’ny Soratra Masina ao amin’ny I Petera 5.6 « Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tana-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’Androny ».

2- Mahitsy (and 4)

Ny mahitsy dia araka ny tokony ho izy, tsy miolakolaka, tia rariny, araka izay ambaran’ny Soratra Masina. Izany no toetran’ny Mesia eto. Ry havana, olana iray lehibe miteraka ny fikorontanan’ny fiaraha-monina ao amin’ny tanana sy ny firenena iray ny tsy fampanjakana ny rariny. Mihantona eo ambonin’izany ny herisetra mivantana sy ankolaka, raha tsy hiresaka afa-tsy ny vonoan’olona. Koa rehefa ny mpanompon’ Andriamanitra no tsy hampanjaka ny rariny, dia sainintsika hoe mbola hitombo hatrany ny tahan’ny herisetra eto Madagasikara.

Fanontaniana:

Mampihatra ny rariny tokoa ve isika mpanompon’ Andriamanitra ao an-tokatrano, ao amin’ny fiaraha- monina, indrindra ao amin’ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe