Ny tokony ho toetran’ny Diakona sy Loholona ary izay mitovy laharana aminy.

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Novambra 2024
1 Petera 5,1 - 4
1 [Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera] 2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo] 3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry. 4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,

Ny tokony ho toetran’ny Diakona sy Loholona ary izay mitovy laharana aminy.

1. Miandry ondrin’Andriamanitra am-pitiavana fa tsy an-tery (and. 2a)

Rehefa atao am-pitiavana izay ny asan’Andriamanitra, dia tsy mifanjana, tsy miandry irahina hijerijery sy hikarakara ny ondrin’Andriamanitra fa manira-tena; ary amin’izany izy dia mahita vokatra mivaingana tokoa izay mahafaly Izay nifidy azy ka indro fa vontom-pahasoavana ery. Ry havana, rehefa tiana ny Tompo dia haintsika ny manao izay mahafaly Azy amin’ny alalan’ny fijerena akaiky ireny ondrin’ Andriamanitra ireny, ary tsy ny ondry hendry ihany, fa ny mania koa. Raisina an-tanana avokoa ireny, ampaherezina, entina am-bavaka sns …ary tokony hiara-hiasa amin’ny Mpitandrina mandrakariva amin’izany.

2- Tsy tia harena maloto (and. 2b)

Ny harena maloto dia izay harena avy amin’ny fahavoazan’ny namana, na ny avy amin’ny fahasimban’ny namana, na avy amin’ny ain’ny namana izay nilatsaka. Izay tsy mikendry ny fahatsaran’ny namana dia izay harena maloto. Mety misy vola sy harena betsaka tokoa ireny saingy tsy mahasambatra eny mampikorotam-piainana indray aza.

3- Tsy mampanompo ny ondrin’Andriamanitra (and 3)

Ny hoe mampanompo dia manararaotra ny fahefana ananana ka manao fihetsika toy ny mambotry olona izany, ka mandemy saina mba hahatonga azy ireo hanompo ny tena na manambany azy amin’ny fihetsika samihafa.

Fanontaniana:

Mahatsapa ve ianao fa mahita ny tena fahasambarana amin’ny fitadiavam-bolanao amin’izao ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe