Ny tokony ho toe-panahin’ny tanora kristiana

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Novambra 2024
1 Timoty 4,11 - 16
11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro. 12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana. 13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera] 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Ny tokony ho toe-panahin’ny tanora kristiana

1- Fitaratra amin’ny hatsarana amin’ny toe-panahy (and 12)

Timoty dia hafaran’i Paoly eto mba ho fitaratra amin’ny hatsarana amin’ny lafim-piainana rehetra, satria ny olana matetika amin’ny tanora dia menatra atao hoe << mendrika ». Lahatra ho an’izay kristiana anefa, ary tsy azony itsoahana na oviana na oviana, ny tsy maintsy maneho ny hatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, lahatra izany. Hoy ny Salamo 145.4 manambara izany: « Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin ‘izay mandimby azy >> Ry tanora namana, raha tsapanao ihany fa ilainao sy tianao Ilay Andriamanitra Raintsika dia mitenena tsara sy mendrika, aoka ho tsara ny fitondran-tenanao, tiavo ny hafa, ankatoavy ny didin’Andriamanitsika, ilainy ny fahadiovanao anatiny sy ivelany. Ary ianao no alain’ny namanao tahaka fa tsy ianao no maka tahaka azy, amin’ny fahamendrehana io an!

2- Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo amin’ny fanompoana (and 14-15)

Ny hoe << aza tsy mitandrina >> dia hoe aza tsinontsinoavina, ataovy ho zavatra misy lanjany eo anatrehanao. Ny fanomezam- pahasoavana eto, dia avy amin’ny Tompo azony tamin’ny fametrahan-tanan’ny loholona. Ampiasaina ireny hoy Paoly hanompoana ny Tompo. Ry havana, samy manana izany avokoa isika, ka noho izany dia ampiasaina ireny hanompoana Azy. Noho izany dia samia mamantatra ny azy avy ka mampiasa azy mba hanaovana ny asan’ny Tompo, satria mila olona hanao ny asany Izy.

Fanontaniana

Tsapanao ve fa azo atao modely ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe